didim-panjakana anendrena ny mambra ao amin`ny governemanta
Transkript
DIDIM-PANJAKANA ANENDRENA NY MAMBRA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA FIADIDIANA NY REPOBLIKA ———————— DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2015-03O Anendrena ny Mambra ao amin’ny Governemanta NY FILOHAN’NY REPOBLIKA, Araka ny Lalam-panorenana; Araka ny didim-panjakana laharana faha-2015-o21 tamin’ny 14 janoary 2015 anendrena ny Praiminisitra Lehiben’ ny Governemanta, Araka ny tolokevitra avy amin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO Andininy voalohany-. Tendrena ho mambra ao amin’ny Governemanta, amin’ny maha: Minisi-panjakana miandraikitra ny Tetikasan’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Fanajariana ny Tany ary ny Fampitaovana Atoa RAKOTOVAO Rivo Minisitra ao amin’n y Fiadidiana ny Repoblika miandraikitra ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Solitany Atoa LALAHARISAINA Joéli Valérien Minisitry ny Fiarovam-pirenena Ny Général de corps d ‘armée RAKOTOZAFY Dominique Jean Olivier Minisitry ny Raharaham-bahiny Rtoa ATTALAH Béatrice Mpitahiry ny Kasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Rtoa RAMANANTENASOA Noëline Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola Atoa RAKOTOARIMANANA François Marie Maurice Gervais Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Atoa MAHAFALY Solonandrasana Olivier Minisitry ny Filaminam-bahoaka Ny Inspecteur Général de Police RANDIMBISOA Blaise Richard Minisitry ny Toekarena sy ny Tetipivoarana Ny Général de corps d’armée RAVELOHARISON Herilanto Minisitry ny Fambolena Atoa RAVATOMANGA Rolland Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Atoa ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Atoa RABARY Andrianiaina Paul Minisitry ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatrasa tsy miankina amin’ny Fanjakana Atoa RAFIDIMANANA Narson Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Atoa RABESAHALA Henri Minisitry ny Asa Vaventy Atoa RATSIRAKA Iarovana Roland Minisitry ny Asam-panjakana ny Asa ary ny Lalàna Sôsialy Atoa MAHARANTE Jean de Dieu Minisitry ny Fizahantany, ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro Atoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich Minisitry ny Angovo sy ny Solika Atoa HORACE Gatien Minisitry ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Siantifika Rtoa RASOAZANANERA Marie Monique Minisitry ny Fampisahananasa, sy Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana amin’Asa amandraharaha Atoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina Minisitry ny Tontolo iainana, ny Hay voary, ny Ranomasina sy ny Ala Atoa BEBOARIMISA Ralava Minisitry ny Jono sy ny Harena Anatirano Atoa AHMAD Minisitry ny Rano, sy ny Fahadiovana ary ny Fanadiovana Rtoa NDAHIMANANJARA Bénédicte Johanita Minisitry ny Fiompiana Atoa RAMPARANY Anthelme Ministry ny Kolontsaina ary ny Asa-tanana Rtoa RASAMOELY Brigitte Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Teknolojia Vaovao Atoa RAKOTOMAMONJY André Neypatraiky Minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ireo Andrim-panjakana Atoa ANDRIANJATO RAZAFINDAMBO Vonison Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena Atoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy Rtoa REALY OnitianaVoahariniaina Sekreteram-panjakana ao amin’ ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miandraikitra ny Zandarimariam-pirenena Général de corps d’armée PAZA Didier Gérard And 2.- Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin’ny voalazan’ity didim’panjakana ity. And 3.- Noho ny hamehana ary araka ny voalazan’ny andininy faha-4 sy faha-6 andalana faha-2 ao amin’ny Hitsivolana laharana faha-62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisampirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia manankery avy hatrany izao didim-panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina ny besinimaro amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na fahitalavitra, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-Panjakan’ny Repoblika. Natao teto Antananarivo ny 25 janoary 2 015 Avy amin’ny Filohan’ny Repoblika: Hery Martial RAJAONARIMAMPIANINA Ny Praiminisitra, Lehiben’ ny Governemanta, Général de Brigade Aérienne Jean RAVELONARIVO
Benzer belgeler
Omena enimbolana ny rehetra
And. 17 - Ny antoko politika dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra fisiana izay voalaza manaraka ireto raha tsy izany
dia foana :
" ny fananana sata
" ny fanoratana ny antoko politika ao anatin'ny re...
Mount and blade warband license
PICTURES
IN
3RD
U
P
C
O
M
N
G
IE
V
E
N
T
S
GRADESTOMACH
PAIN RELIEVED
BY BURPING
kullanma yönergesi - Gynuity Health Projects
Missed abortus: Missed abortus tanısı kesin
olduğunda ve/veya serviksin tamamen kapalı
olduğu durumlarda tek doz 800 mcg vajinal
misoprostol önerilmektedir.
Düşüğün tamalanmasını sağlamak amacıyla
...
Endonezya dilinde
vavolombelona). Vokany, fanovan-javatra ny fiantsoana ho maritiora ireo izay
manao sorona ny ainy hoan'ny fitiavana an'Andriamanitra. Antsoina hoe
«vavolombelona» (maritiora) ireo satria vavolombel...